Bokin'ny Salamo 103:18
Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To such as keep his covenant, and to those that remember his commandments to do them.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 103
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Numbers 15:40mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masìna ho an’ Andriamanitrareo ianareo.
Deuteronomy 6:6Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
Deuteronomy 7:12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
Psalms 25:10Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
Psalms 132:12Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.