Bokin'ny Salamo 115:12
Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
13Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
Read all of Bokin'ny Salamo 115
Cross References
Genesis 8:1Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Exodus 2:24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Psalms 25:7Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
Psalms 135:19Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;
Isaiah 44:21Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
Acts 3:26Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’ olona.