Bokin'ny Salamo 124:1
Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If it had not been the LORD who was on our side, now may Israel say;
In Context
2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
Read all of Bokin'ny Salamo 124
Cross References
Genesis 31:42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
Psalms 46:11Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.
Psalms 56:9Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
Psalms 94:17Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.
Psalms 120:1Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,