Bokin'ny Salamo 141:1
Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin’ ny fiantsoako Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
LORD, I cry unto thee: make haste unto me; give ear unto my voice, when I cry unto thee.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 141
Cross References
Job 7:21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Psalms 28:2Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.
Psalms 69:17Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao.
Psalms 70:5Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
Psalms 143:1Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.