Bokin'ny Salamo 143:3
Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
Read all of Bokin'ny Salamo 143
Cross References
2 Samuel 2:22Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
Psalms 7:1Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita.
Psalms 7:6Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
Psalms 31:12Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
Psalms 54:3Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
Psalms 142:6Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona.