Bokin'ny Salamo 149:3
Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Let them praise his name in the dance: let them sing praises unto him with the timbrel and harp.
In Context
4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
Read all of Bokin'ny Salamo 149
Cross References
Judges 11:34Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
2 Samuel 6:16Ary nony tonga teo an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
1 Chronicles 16:42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
2 Chronicles 20:28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.
Ezra 3:10Ary rehefa naorin’ ny mpiasa ny tempolin’ i Jehovah, dia nasainy hidera an’ i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak’ i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
Psalms 33:2Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.