Bokin'ny Salamo 150:4
Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Praise him with the timbrel and dance: praise him with stringed instruments and organs.
In Context
3Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.
5Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.
Read all of Bokin'ny Salamo 150
Cross References
Exodus 15:20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Job 30:31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.
Psalms 45:8Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
Psalms 144:9Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao,
Isaiah 38:20Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ i Jehovah izahay Amin’ ny andro rehetra iainanay.