Bokin'ny Salamo 26:8
Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
LORD, I have loved the habitation of thy house, and the place where thine honour dwelleth.
In Context
7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,
Read all of Bokin'ny Salamo 26
Cross References
Exodus 25:21Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
2 Samuel 15:25Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
2 Chronicles 5:14ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.
2 Chronicles 7:2Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah, satria feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranony.
Psalms 42:4Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Psalms 84:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta.