Bokin'ny Salamo 34:3
Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O magnify the LORD with me, and let us exalt his name together.
In Context
2Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
4Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
Read all of Bokin'ny Salamo 34
Cross References
1 Chronicles 16:10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
2 Chronicles 29:30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
Psalms 35:27Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
Psalms 66:8Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
Psalms 69:33Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra.
Psalms 148:1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.