Bokin'ny Salamo 37:21
Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The wicked borroweth, and payeth not again: but the righteous sheweth mercy, and giveth.
In Context
22Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
Read all of Bokin'ny Salamo 37
Cross References
Deuteronomy 15:9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Deuteronomy 28:43Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
Nehemiah 5:1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
Psalms 112:5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
Proverbs 22:7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?