Bokin'ny Salamo 68:5
Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A father of the fatherless, and a judge of the widows, is God in his holy habitation.
In Context
4Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa.
6Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna.
Read all of Bokin'ny Salamo 68
Cross References
Deuteronomy 10:18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
2 Chronicles 6:2Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
Job 29:12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
Psalms 10:14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Psalms 33:14Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
Psalms 72:4Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.