Bokin'ny Salamo 73:25
Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whom have I in heaven but thee? and there is none upon earth that I desire beside thee.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 73
Cross References
Psalms 16:2Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
Psalms 16:11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
Psalms 37:4Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
Psalms 43:4Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
Psalms 89:6Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
Psalms 143:6Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.]