Bokin'ny Salamo 78:10
Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They kept not the covenant of God, and refused to walk in his law;
In Context
9Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
11Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 16:28Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
Deuteronomy 31:20Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
2 Kings 17:14Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.
Nehemiah 9:17ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
Jeremiah 31:32Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.