Bokin'ny Salamo 78:9
Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The children of Ephraim, being armed, and carrying bows, turned back in the day of battle.
In Context
10Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Deuteronomy 1:41Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
Judges 9:28Ary hoy Gala, zanak’ i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’ i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’ i Hamora, rain’ i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
Judges 20:39Ary nirona tamin’ ny ady ny lehilahy amin’ ny Isiraely (ny taranak’ i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin’ ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin’ ny ady voalohany;
1 Samuel 31:1Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Psalms 78:57Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.