Apokalypsin'i Jaona 1:4
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 1
Cross References
Exodus 3:14Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Psalms 102:25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Isaiah 41:4Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Micah 5:2Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
Zechariah 4:10Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra
John 1:1Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.