Apokalypsin'i Jaona 15:1
Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 15
Cross References
Leviticus 26:21Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
Daniel 6:27Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.
Daniel 12:11Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
Matthew 13:49Dia tahaka izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ ny marina,
Revelation 8:6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
Revelation 10:3ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.