Apokalypsin'i Jaona 19:1
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ Andriamanitsika;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Psalms 3:8Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
Psalms 111:1Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Psalms 146:1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.
Psalms 149:1Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.
Jonah 2:9Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
1 Timothy 1:16Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.