Apokalypsin'i Jaona 9:21
ary tsy nibebaka tamin’ ny namonoany olona izy, na tamin’ ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ ny fijangajangany, na tamin’ ny halatra nataony koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 9
Cross References
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Daniel 7:21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masìna ka naharesy azy,
Malachi 3:5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
2 Corinthians 12:21eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
Revelation 11:7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
Revelation 13:13Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ ny tany eo imason’ ny olona aza.