Epistily ho an'ny Romana 5:21
mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 5
Cross References
John 10:28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako.
Romans 5:12Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Romans 5:17Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
Romans 6:14Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna ianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
Romans 6:23Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
Titus 2:11Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,