Tononkiran'i Solomona 7:4
Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 7
Cross References
Genesis 15:2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
2 Samuel 8:6Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
1 Kings 9:19ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan’ i Solomona sy ny tanàna fitoeran’ ny kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
1 Kings 10:22Fa ny mpanjaka nanana sambon’ i Tarsisy mbamin’ ny sambon’ i Hirama teny ambonin’ ny ranomasina; ary indray mandeha amin’ ny telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
2 Chronicles 8:6ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
Psalms 144:12Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy.