Boky faharoan'ny Tantara 2:13
ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jesse begat his firstborn Eliab, and Abinadab the second, and Shimma the third,
In Context
12ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
14sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 2
Cross References
1 Samuel 16:8Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
1 Samuel 17:12Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
1 Samuel 17:28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
2 Samuel 13:3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
1 Chronicles 27:18tamin’ ny Joda dia Eliho, izay isan’ ny rahalahin’ i Davida; tamin’ ny Isakara dia Omry, zanakalahin’ i Mikaela;