Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15:47
Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The first man is of the earth, earthy: the second man is the Lord from heaven.
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Jeremiah 23:6Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Luke 1:16Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
John 3:12Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
John 6:33Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
1 Corinthians 15:45Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.