Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2:13
Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2
Cross References
Psalms 90:2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Psalms 148:12Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
Matthew 11:27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Matthew 13:38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ ilay ratsy;
John 8:19Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.