Boky faharoan'ny Mpanjaka 9:25
Ary intelo isan-taona no nanateran’ i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin’ ny alitara izay naoriny ho an’ i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ ny alitara teo anatrehan’ i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 9
Cross References
Exodus 30:7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
Deuteronomy 16:16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
1 Kings 6:9Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
1 Kings 6:38Ary tamin’ ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
2 Chronicles 8:12Ary tamin’ izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ ny lavarangana fidirana;
2 Chronicles 26:16Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.