Boky faharoan'i Samoela 12:5
Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Exodus 22:4Raha misy olona mampitondraka amin’ ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin’ olona izany biby izany, dia amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny sahany, ary amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny tanim-boalobony, no hanonerany.
Job 16:19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
Job 42:7Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
John 18:38Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
Acts 24:16Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
1 Corinthians 4:4Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy: