Bokin'i Ezekiela 22:9
Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Hamavoinao ny zavatra masìna, ary lotoinao ny Sabatako.
10Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
Exodus 20:16Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Leviticus 19:16Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah.
1 Samuel 24:10Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan’ olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
Psalms 50:20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.
Psalms 106:28Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
Proverbs 18:8Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.