Boky faharoan'i Samoela 24:12
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 24
Cross References
Genesis 16:5Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
Judges 11:27Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
1 Samuel 26:10Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
1 Chronicles 12:18Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Psalms 7:8Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
Psalms 43:1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin’ ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.