Boky faharoan'i Samoela 6:9
Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 6
Cross References
Exodus 8:15Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Joshua 21:16ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
2 Samuel 1:6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
2 Chronicles 25:21Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
Isaiah 26:11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Luke 10:31Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.