Bokin'ny Tantara 33:13
ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ ny fanjakany. Ka dia fantatr’ i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 33
Cross References
Deuteronomy 29:6Ary nony tonga tamin’ ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
1 Kings 18:39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
2 Chronicles 34:27satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
Ezra 8:23Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
Job 22:23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.