Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:10
mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
John 14:19Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
Romans 6:5Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;
Romans 8:17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
2 Corinthians 1:5Fa araka ny haben’ ny fijalian’ i Kristy mihatra aminay no haben’ ny fampiononana anay kosa amin’ ny alalan’ i Kristy.
2 Corinthians 13:4Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.
Philippians 3:10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny endriky ny fahafatesany,