Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:6
Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Genesis 1:14Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
Exodus 34:5Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
Psalms 74:16Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
Psalms 136:7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Isaiah 35:2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
Isaiah 45:7Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.