Boky voalohan'ny Tantara 10:6
Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan’ ireo zanakalahin’ ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ ireo lehiben’ ny tanàna, mpitaiza azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 10
Cross References
Deuteronomy 5:9Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
1 Kings 21:8Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahaba, ka notombohiny tamin’ ny fanombohan-kasen’ andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’ i Nabota.
Job 21:19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
Matthew 12:30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Revelation 2:20Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.