Boky voalohan'ny Tantara 22:14
Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tikva, zanak’ i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin’ ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 22
Cross References
Exodus 15:20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
2 Kings 10:22Dia hoy Jeho tamin’ ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
Nehemiah 7:72Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
Zephaniah 1:10Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
Luke 2:36Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,
1 Corinthians 11:5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.