Boky voalohan'ny Tantara 22:9
Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin’ ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 22
Cross References
2 Kings 18:18Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
2 Kings 22:12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
Jeremiah 26:24Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.
Jeremiah 36:10Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Jeremiah 40:11Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,
Ezekiel 8:11Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.