Boky voalohan'ny Tantara 4:27
Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 4
Cross References
Genesis 18:17Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko?
2 Samuel 7:3Dia hoy Natana tamin’ ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
2 Kings 6:12Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.
Proverbs 14:10Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Amos 3:7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
Matthew 20:31Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!