The Bible Software
bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 4 › Boky voalohan'ny Tantara 4:42

Boky voalohan'ny Tantara 4:42

Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And there came a man from Baal-shalisha, and brought the man of God bread of the firstfruits, twenty loaves of barley, and full ears of corn in the husk thereof. And he said, Give unto the people, that they may eat.

In Context

41Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin’ izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.

43Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’ i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.

Read all of Boky voalohan'ny Tantara 4

Cross References

Exodus 23:16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

Numbers 18:13Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ ny taniny, izay hateriny ho an’ i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.

Deuteronomy 12:6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;

Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.

1 Samuel 9:7Dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin’ ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?

2 Kings 4:38Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin’ ny tany; ary ny zanakalahin’ ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an’ ny zanakalahin’ ny mpaminany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky voalohan'ny Tantara 4:42

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky voalohan'ny Tantara 4:41Boky voalohan'ny Tantara 4Boky voalohan'ny Tantara 4:43 →