Bokin'ny Nomery 18:13
Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ ny taniny, izay hateriny ho an’ i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ny zavatra rehetra voatokana amin’ ny Isiraely dia ho anao.
Read all of Bokin'ny Nomery 18
Cross References
Exodus 22:29Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Leviticus 22:7Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ ny zava-masìna, satria fihinany izany.
Deuteronomy 18:4ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy.
2 Kings 4:42Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
Jeremiah 24:2Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
Micah 7:1Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,