Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2:8
(fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan’ andro isan’ andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ ireo ny lalàna):
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2
Cross References
Psalms 119:139Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
Proverbs 25:26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
Ezekiel 9:4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Malachi 3:15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
James 5:16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.