Asan'ny Apostoly 13:41
Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
40Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
Read all of Asan'ny Apostoly 13
Cross References
Proverbs 5:12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
Isaiah 28:14Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Matthew 8:10Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’ izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ ny Isiraely aza.
Matthew 22:7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
Luke 16:14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.