Asan'ny Apostoly 16:5
Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And so were the churches established in the faith, and increased in number daily.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
2 Chronicles 20:20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Acts 2:47nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
Acts 5:14Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
Acts 9:31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
Acts 12:24Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
Acts 15:41Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.