Asan'ny Apostoly 21:13
Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ ny Tompo no hatao.
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
1 Samuel 15:14Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’ osy ren’ ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ ny omby reko?
Isaiah 3:15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jonah 1:6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
Acts 9:16fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
Acts 20:37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,
1 Corinthians 15:31Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.