Asan'ny Apostoly 9:16
fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For I will shew him how great things he must suffer for my name’s sake.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 9
Cross References
Matthew 5:11Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Matthew 24:9Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
John 16:1Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
Acts 20:22Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,
Acts 21:11Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’ i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ ny Fanahy Masìna: Toy izao no hamatoran’ ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ ny jentilisa izy.
2 Corinthians 6:4fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,