Asan'ny Apostoly 21:39
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’ izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
Acts 9:11Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
Acts 15:23ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
Acts 16:37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Acts 22:3Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
Acts 23:27Ity lehilahy ity dia nosamborin’ ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
1 Peter 3:15fa manamasìna an i’ Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,