Asan'ny Apostoly 9:27
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ ireo tany Jerosalema,
Read all of Asan'ny Apostoly 9
Cross References
Acts 4:13Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.
Acts 4:36Ary Josefa, izay nataon’ ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
Acts 9:17Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masìna ianao.
Acts 11:22Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
Acts 12:25Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
Acts 15:2Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.