Bokin'i Daniela 6:20
Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ ny lavaky ny liona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Numbers 14:15Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
Psalms 71:14Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
Psalms 119:112Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
Proverbs 23:17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
Daniel 3:15Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?