Exodus 15:21
Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an’ i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ ny ranomasina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:4Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.
1 Samuel 18:7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
Psalms 24:7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.
Isaiah 5:1Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Revelation 7:10dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.
Revelation 15:3Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.