Bokin'i Ezekiela 12:25
Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ ny taranak’ Isiraely.
26Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
Isaiah 14:24Jehovah, Tompon’ ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
Jeremiah 1:11Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
Lamentations 2:17Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin’ ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
Ezekiel 7:13Fa ny mpivarotra tsy hifodian’ izay efa lafony, na dia mbola isan’ ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin’ ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin’ ny helony.
Ezekiel 12:28Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
Habakkuk 1:5Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.