Bokin'i Ezekiela 27:22
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Genesis 10:7Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
1 Kings 10:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,
1 Chronicles 1:9Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
Psalms 72:10Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
Isaiah 60:6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
Ezekiel 38:13Sheba sy Dedana ary ny mpandranton’ i Tarsisy rehetra mbamin’ ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?