Bokin'i Ezekiela 27:3
ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Hianao, ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Tyro,
4Ao amin’ ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
Proverbs 31:14Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
Isaiah 23:8Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Ezekiel 26:17Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ ny ranomasina, dia izy mbamin’ ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
Ezekiel 27:10Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
Ezekiel 28:12Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ ny mpanjakan’ i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
Revelation 18:11Ary ny mpandranto amin’ ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany: