Bokin'i Ezekiela 43:27
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin’ ny andro fahavalo ny hanateran’ ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin’ ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an’ ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 43
Cross References
Leviticus 3:1Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 9:4ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’ i Jehovah aminareo.
Job 42:8Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Hosea 8:13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
Romans 15:16mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.
Philippians 2:17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.